Accueil | Créer un blog | Blog Beauté | Blog Séries 247

L'Affaire Roland Ratsiraka

Des dessous politiques

Who's Who

Roland Ratsiraka

From Wikipedia, the free encyclopedia

Iarovana Roland Ratsiraka (born August 15, 1966) is a Malagasy politician.
Born in Antananarivo, Roland is the nephew of former Président Didier Ratsiraka. He studied both in Madagascar and in France, before founding several
companies.
In 1996, Roland's uncle
appointed him Director of Propaganda for the Tamatave region. In 1998, he founded the regional political association Toamasina Tonga Saina, and was elected to the National Assembly of Madagascar as a Deputy for Toamasina. In 1999, he was elected as Mayor of the city, and although the post was suspended in 2002, he was re-elected in 2004.
Ratsiraka stood in the 2006 presidential election, held on December 3, and he placed third, with
approximately 10.1% of the votes cast, according to official results. In his home province of Toamasina, he won about 34% of the vote, two points less than the winner of the election, incumbent president Marc Ravalomanana. Along with second place candidate Jean Lahiniriko, Ratsiraka said that the results were false, and on December 11 he filed a challenge with the Constitutional High Court regarding the election.

http://en.wikipedia.org/wiki/Roland_Ratsiraka


Rechercher

Album

<< Leader Fanilo | Bureau National TAMBATRA | SEFAFI >>

Bureau National TAMBATRA | 16 juin 2007

FANAMBARANA

Ny birao nasionalin'ny TAMBATRA niaraka tamin'ireo biraom-paritra avy amin'ny Faritanin'ny Fianarantsoa, Antananarivo, Mahajanga ary Antsiranana, nivory tao Ambositra ny Alatsinainy 28 Mey 2007 nandinika ny fiainam-pirenena ankapobeny dia mahatsapa fa tafiditra anaty kizo nangitsokitsoka ny firenena noho ireto antony manaraka ireto :

- Maizin-dava ny mponina maro tamin'ireny faritra ivelan'ny renivohitr'Antananarivo nohon'ny delestazy lavareny ; mitondra faisana sy mitotongana ny fiharian-karena amin'ny sehatra maro, mihamahantra andro aman'alina ny mpiray Tanindrazana.

- Voafandrik'ireo sarangan'olona tsy mataho-tody ny mpianatry ny Oniversite any amin'ny faritany ka maro amin'izy ireo no nandao tsy fidiny ny toeram-pianarany.

- Manahy ny ray aman-dRenin'ny mpianatra sy Mpandinika maro fa mizotra mankany amin'ny sehatra tsy miankina ho fangoronan-karena ny Fampianarana Ambonim-panjakana. Ka sakana ho an'ny zanaky ny Madinika sy ny tsy manan-katao ny mety ho saram-pianarana amin'ireo sehatra ireo amin'ny ho avy...

- Famoronana antontan-taratasy mifono fanamelohana fisamborana ho anya m-ponja no mahazo ireo Mpanohitra sy ny Parlemantera mijoro hiaro ny marina sy ny Demokrasia.

- Mihamahazo vahana ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo ka mandry tsy lavo loha ny mponina eny an-tanan-dehibe sy eny Ambanivohitra.

- Nanjavona ny volam-pirenena, oh : very ny 12 miliara Ara o amin'ny Banky Foibe ao Manakara sy ny 600 tapitrisa Ar ao amin'ny Banky Foibe ao Toamasina...

- Mitohy ny antsojay sy habibiana ataon'ny fitondrana toy ny natao ilay katekista tao amin'ny Fiangonana Katolika Ilaobato/Ikalamavony, Commune rurale Mangidy : Notadiana ka natao sarikalika amina fiara 4x4, noterena mba hanoro ny toerana misy an'i Pety Rakotoniaina.

- Mamaky ady amin'ny fiangonana Katolina sy ny diplomaty ary ireo mpamatsy vola mahazatra ny Filoha Ravalomanana ; voaroaka ny Mompera Sylvain URFER sy Masera Karmelita iray efa 85 taona tao amin'ny faritr'i toliara.

Mijoro miaro ny rariny sy ny hitsiny, indrindra ireo madinika sy ny tsy misy mpiahy, ny fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara ka mihenjan-droa ny tady.

- Adim-poko ampifandrafesana ny samy Malagasy isam-paritra hifandroaka sy hifamono no tetika ampiasain'ireo mpitondra tsy mahavaha olana.

- Mibaribary ankehitriny fa ny nanaovana amboletra, fahoanifahoany ny « Referandaoma » namadihana ny vokatra nandresen'ny « TSIA » no vao mainka nampihombo ny tsy fifampitokisana eto amin'ny firenena.

- Misavoritaka ny Mponina isam-pokontany amin'ireo Distrika maro eto Madagasikara, eo anoloan'ny fanatanterahana ny fifidianana ny Sefom-pokontany sy ireo Mpiara-miasa aminy. Eo ny tsy fisiana lalàm-pifidianana iray mitovy lasitra eran'ny Nosy, ka manamora ny hosoka anitsakitsahana ny safidim-bahoaka... Noho izany, ny fikambanana Tambatra dia :

1) Manameloka ny ady an-trano volena atsy sy eroa fa indrindra eo anivon'ny mpianatry ny Oniversite hanarotsaronana ny tsy fahaiza-mitantan'ny mpitondra.

2) Mitaky ny hampitsaharana tsy misy fepetra ny vava ratsy mamoafady sy fanenjehana atao amin'ireo misionera sy ny mpitondra fivavahana, ny masoivoho vahiny sy ny mpamatsy vola mahazatra ary ireo mpanohitra.

Koa:

Manao antso avo amin'ireo hery velona rehetra sy ny Mpiray tanindrazana saro-piaro amin'ny firaisam-pirenena mba hanamafy orina ny fampivondronana ny hery hanilihana ny tsy fahombiazana misy eto amin'ny firenena.

Ambositra, faha 28 Mey 2007
Amin'ny anaran'ny Birao Nasionalin'ny Tambatra
Ny mpikambana isany:
Beza SERAMILA
RAHARINIRINA
MAHATODY Ferrid
RAKOTOMANDIMBY Désiré

Publié par veriteRR à 11:37:46 dans Communiqués | Commentaires (10) |

06-10-2007  14:45  06-10-2007 14:45
HOAN-DRAZAFY  De  MERINA  Sujet:  HOAN-DRAZAFY
Inona moa no tombon-tsoa ndrazafy @ famonoana MERINA???? Razafy no atao hoe" KELY SAINA TSY MISY ATI-DOHA, MAIVAN-DOHA ny marimarina.
09-07-2007  16:04  09-07-2007 16:04
Re:Alahelo  De  Mpandalo  Sujet:  Re:Alahelo
Hoan'i Razafimahefa Alexandrin: Diso anao rahalahy. Marina fa tsy maintsy misy farany ny raha jiaby, kanefa RAHOVIANA IO FARANY IO? Raha tsy mihetsika ianao miaro ny ZONAO sy ny TOMBOTSOANAO sy ny HOAVIN'NY FIANAKAVIANAO sy ny TANINAO, dia METY ANY AFAKA ARIVO TAONA any vao tonga ilay farany lazainao. Noho izany, FISAINANA DISO SY EFA NILAOZAN'NY TOETRANDRO io fisainanao. Fisainana DEMOKRATIKA sy MPANDALA ny GOUVERNANCE no tokony ampanjakaina amin'izao toetrandro izao, dia tsy inona izany fa ny FIADIVANAO NY HOAVINAO SY NY FIANAKAVIANAO ARY NY FIRENENAO. Tsy vao izao ny Merina no namono sy nanapotika ny cotier, fa pratique efa nanomboka 200 taona lasa, kanefa ny cotiers tsy mihetsika miaro ny avenir-ny fa zatra miandry ny vahiny (frantsay) foana no hiaro ny avenir-ny; ary tsy vitan'izany, fa na dia fisaoranana aza tsy atao amin'ny frantsay mpiaro ny tombotsoan'ny tena.
29-06-2007  04:43  29-06-2007 04:43
RE:valiny  De  Mpandalo  Sujet:  RE:valiny
Ny tsisy atidoha ihany no voafitakao amin’io zavatra lazainao io ry Razafy. Raha tsy retardé mental dia efa afaka mahafantatra avy amin’io zavatra nosoratanao io fa Merina ianao ilay manoratra io, ary mbola MAMAFY LAINGA sy manalika olona tahaka ny fanaon’ny olona toa ianao hatrizay: Merina no RACISTES sy TRIBALISTES ary OPPRESSEURS mpanandevo ny foko hafa ao Madagasikara hatrizay, kanefa dia lazainao fa ny Merina indray no opprimés.
26-06-2007  20:09  26-06-2007 20:09
MISY FARANY NY ZAVA-DREHETRA  De  ZANA  Sujet:  MISY FARANY NY ZAVA-DREHETRA
MARINA FA MAFY IZANY HOE ENJEHINA FA IZAO NO TENIKO : misy farany daholo ny zava-drehetra
25-06-2007  13:07  25-06-2007 13:07
valiny  De  razafy  Sujet:  valiny Url: [Liens]
izao no lazaiko raha tsy isy adim'poko aty madagascar tsy hilamina mihitsy .dikany raha tsy ringatra ny merina dia io foanany zavatra hiseho vonio zala merina reo.
20-06-2007  04:39  20-06-2007 04:39
RE:fihavanana  De  Mpandalo  Sujet:  RE:fihavanana
Hoan’i Robert: Mitovy amin’i Maso eo ambany ihany ny fisainanao; dia tsy inonana izany fisainana izany fa ny fanalikana ny olona manerana an’i Madagasikara. FANAZAVANA: “Ary nisy vazaha iray aza moa dia sahy nilaza fa aty afrika dia miezaka ny manakorotana sy mamingana ny ezaka fampandrosoana ataon'ny mpitondra ireo izay very tombontsoa na tsy naomby ka nailika teo amin'ny fitondrana.” Marina io voalazan’ny vazaha io kanefa NY ANTOKON’OLON’NY MPITONDRA ANKEHITRINY NO MPANAKORONTANA nifanesisesy tao Madagasikara isaky ny manomboka verivery ny tombotsoany. Izany hoe, nanomboka 1972 ka hatramin’izao dia ANTOKON’OLONA IRAY IHANY NO TENA NAHITA TOMBOTSOA tamin’ireo fitondrana mifanesisesy, ary mbola io antokon’olona io ihany koa no FOTOTRY NY FANAKORONTANANA POLITIKA (crises politiques) REHETRA NISY TATO Madagasikarana nandritry ny 35 taona lasa izay (1972-2007). ARODANY ny fitondrana TAN-DALANA, dia MAMETRAKA OLONA eo amin’ny fitondrana izy MBA HIARO NY TOMBOTSOANY MANOKANA (1972); rehefa manomboka tonga saina ny olona ka TSY MIARO intsony ny tombotsoan’io antokon’olona io (1987-1991 sy 1995-1996 ary 1998-2001) dia ARODANY/AONGANY indray ary mametraka olona hafa eo amin’ny fitondrana indray izy (1992, 1997, 2002) mba hamerina indray ny tombotsoany. Ary amin’io antokon’olona io, ny FIHAVANANA dia ny FANEKENA HO ANDEVONY MANDRAKIZAY. Fa raha tsy manaiky ho andevony ianao dia mpanakorontana, mpampihorohoro, mpangalatra, mpampirisika adimpoko, sns, no anarana omeny anao.
18-06-2007  11:02  18-06-2007 11:02
fihavanana  De  Robert  Sujet:  fihavanana
Fihavanana! dradradradraina fa hilaina ny fampiavanam-pirenena!!! Izaho dia chauffeur ny asako ary mandeha manao mission eran\'i Madagasikara mitondra vazaha mpizahan-tany. Gaga no sady talanjona aho fa toa milamina sady mirindra tsara ny fiaraha-monina any amin\'ireo tany efa nolalovako, tsy misy an\'izany miady izany na mifandrafy izany ny malagasy (Hatrany atsimo ka hatrany avaratra,any andrefana ka hatrany atsinanana),nefa dradradradraina fa tsy milamina ny firenena ka ilaina ny fampiavanana!!!!! Ary nisy vazaha iray aza moa dia sahy nilaza fa aty afrika dia miezaka ny manakorotana sy mamingana ny ezaka fampandrosoana ataon\'ny mpitondra ireo izay very tombontsoa na tsy naomby ka nailika teo amin\'ny fitondrana. Nahatsiaro tena ho menatra ny tenako raha nahare io tenin\'ilay vazaha io satria io izao no zava-misy eto amin-tsika.
18-06-2007  11:00  18-06-2007 11:00
fihavanana  De  Robert  Sujet:  fihavanana
Fihavanana! dradradradraina fa hilaina ny fampiavanam-pirenena!!! Izaho dia chauffeur ny asako ary mandeha manao mission eran'i Madagasikara mitondra vazaha mpizahan-tany. Gaga no sady talanjona aho fa toa milamina sady mirindra tsara ny fiaraha-monina any amin'ireo tany efa nolalovako, tsy misy an'izany miady izany na mifandrafy izany ny malagasy (Hatrany atsimo ka hatrany avaratra,any andrefana ka hatrany atsinanana),nefa dradradradraina fa tsy milamina ny firenena ka ilaina ny fampiavanana!!!!! Ary nisy vazaha iray aza moa dia sahy nilaza fa aty afrika dia miezaka ny manakorotana sy mamingana ny ezaka fampandrosoana ataon'ny mpitondra ireo izay very tombontsoa na tsy naomby ka nailika teo amin'ny fitondrana. Nahatsiaro tena ho menatra ny tenako raha nahare io tenin'ilay vazaha io satria io izao no zava-misy eto amin-tsika.
17-06-2007  06:11  17-06-2007 06:11
RE:firaisan-kina  De  Mpandalo  Sujet:  RE:firaisan-kina
Raha azoko tsara ny zavatra lazainao io ambony io dia izao no hevitra lazainao: 1 . Ny maha credible na tsia ilay mpanohitra no TOKONY ENTINA HITSARANA NY MAHA MARINA NA TSIA NY VOALANDREO. Raha milaza ohatra ry zareo hoe 2+5=7 dia DISO izany aminao satria opposition tsy credible ry zareo? Sao dia mba mihevitra anay ho zazakely na retardé mental kosa ianareo izany? 2 . Milaza koa ianao fa TAMIN’NY FANESORANA AN’i PETY NO NANDRIAKA NY RA. Raha tsy diso aho (ary izay manana atidoha dia afaka hanamarina) fa MIFANOHITRA amin’izany zavatra lazainao izany ny zavanisy: tsy tamin’ny fanesorana fa TAMIN’NY FAMPIAKARANA an’i PETY sy i RAVALOMANANA teo amin’ny pouvoir no NIREFOTRA NY BASY AMANTAFONDRO ary NANDRIAKA NY RA. Noho izany, OLONA TSISY ATIDOHA IHANY KOA NO METY HO VOAFITAKAO, fa raha mba misaina na dia kely aza dia hahita ny fahamarinan’io voalazako io. 3 . Milaza koa inao fa ry zareo MFM ihany koa no mpanodinkodin-dohan’ny mpianatra any amin’ny oniversite: nanomboka oviana indray no tsy AREMA intsony no mpanodinkodindohan’ny mpianatra any amin’ny oniversite? Olona tahaka ianao io ihany no mpilaza nandritra ny vanimpotoana 1989-1993 sy 2001-2007 fa ny AREMA no mpanodinkodindohan’ny mpianatra. Androany dia milaza indray ianao fa tsy AREMA indray ilay izy fa MFM: est-ce que tu prends les gens pour des cons? 4 . Momba ny fangalaran’ombin’ny olona lazainao: meme commentaire qu’au numero 3. N.B. Tsy AREMA aho, tsy MFM aho, tsy Leader Fanilo, etc., tsy membre-na antoko politika, ary TSY MPOMBA N’IZA N’IZA nandritra ny fifidianana nifanesisesy 2001-2007 (tsy nifidy mihitsy raha ny tena marina). Fa gasy tsotra aho ; manefa ny adidiko VOALOHANY amin'ny maha olompirenena gasy ahy: MIJERY TSY MIANGATRA ARY MANADIHADY NY TOKONY METY HO AN'NY FIRENENA MALAGASY.
16-06-2007  15:28  16-06-2007 15:28
firaisan-kina  De  maso  Sujet:  firaisan-kina
Ilaina tokoa aloha ny mpanohitra fa ny mpanohitra toa anareo reo kosa loha dia tsy" CREDIBLE ", efa niasa nareo nandritra ny fotoana naha PDS ny fianaratsoa an'iPETY nefa ny ombin'ny olona aza angalarinareo , tsy menatra akory . Raha nesorina tamin'ny toerany i PETY dia tsy maintsy nandrika aloha ny "RA" vao niala sady nareo ihany nge no mpanodikodina lohan'ny mpaianatra any amin'ny oniversite eh!!! tsy vitan'zany fa nareo ao amin'ny MFM aza tsy misy firaisan-kina akory . Za tsy mpomba andra8 fa raha iaranreo no ihanteherana dia miatehatra amin'ny hazo boboka ihany angamba valio azafady

Ajouter un commentaire

Nom :
Email :
Url :
Sujet :
Texte :
Code :
si vous n'arrivez pas à voir le code Cliquez ici

Compteur

Depuis le 14-06-2007 :
42165 visiteurs
Depuis le début du mois :
1351 visiteurs
Billets :
53 billets

Novembre

DiLuMaMeJeVeSa
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930     

Malagasy Tonga Saina

  • RSS
  • RSS
  • Podcast
  • atom 03